NOTOKANANA ANDROANY NY « IVOKOLO » ETSY AMIN’NY ARCADE ANALAKELY
Rehefa nandray ny fitantanana ny ekipa mpitantana ankehitriny ny taona 2019 dia gaga sy taitra ary nalahelo raha nahita ny fahapotehan’ity toeran’ity nantsoina hoe “Galerie 6” teo aloha sy “CEMDLAC” taty aoriana. Naka fanapahan-kevitra haingana ny hamindra ireo olona rehetra niasa tao any amin’ireo biraon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hafa satria tandindomin-doza ireo mpiasa ireo. Volana vitsy taorian’izay tokoa dia niotsaka tanteraka ny toerana.
Namboarina tanteraka izany toerana izany ka izao notokanana androany izao. Tahaka izao ny zavatra rehetra hita ao anatin’izany foto-drafitrasa izany :
– Efitrano lehibe fanaovana lanonana indrindra ny tantara an-tsehatra nomena ny anarana « Théâtre Charles RAVALOSON ».
– “Galerie d’Art RAPARIVO RR”, izay toerana fanaovana varotra fampirantiana ho an’ireo mpanao sary hoso-doko, ny mpanao sary sikotra, ny mpaka sary pika. Ity no azo lazaina fa “Galérie d’Art” voalohany tantanan’ny fanjakana.
– Ahitana ny “Librairie d’orientation”
NOTOKANANA ANDROANY NY « IVOKOLO » ETSY AMIN’NY ARCADE ANALAKELY