FAMARANANA NY FIOFANANA MAHA-MATIHANINA HO AN’NY MPANAO GAZETY

Tontosa androany ny fanohanana ny asa fikarohana (Soutenance) nataon’ireo mpanao gazety miisa 40 mianadahy manerana ny Nosy, izay nanaraka hatramin’ny farany ny fiofanana matihanina ho an’ny mpanao gazety (FPJ: Formation Professionnelle des Journalistes), nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Nanomboka ny taona 2019 ny Minisitera no efa nanao vaindohan-draharaha tamin’ny fametrahana fandaharanasa goavana mitohy entina hanampiana ny mpanao gazety izay te hanamafy ny fahalalany amin’ny alalan’ny fiofanana matihanina. Amin’ny maha fandaharan’asa maharitra azy, dia hisitraka diplaoma ara-panjakana ankatoavin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, ny Minisiteran’ny asa, asam-panjakana sy ny lalàna sosialy ireo mpiofana. Izany indrindra no antony tsy maintsy hiatrehan’ireo mpanao gazety mpiofana ireo manatanteraka fanohanan-kevitra (Soutenance) miainga amin’ny fikarohana sy ny fampiharana ny fampiofanana nomena azy ireo.

Mitondra ny anarana “Père Rémi RALIBERA” ireto andiany indray mihira hivoaka ny Zoma 6 Aogositra izao ireto, ary ho Reny Mpiahy azy ireo kosa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Ramatoa Christine RAZANAMAHASOA.

Hiditra tsy ho ela kosa ny andiany manaraka miaraka amin’ny fanofanana ireo mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo sy amin’ny fahitalavitra.