FANAKATONANA NY IRAY VOLAN___NY TENY MALAGASY TAO BOENY
Notanterahina tao amin’ny « Akory Haly » Mahajanga, Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao, ny famaranana ny fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy tany amin’ny Faritra Boeny, izay nahitana hetsika ara-java-kanto maro samihafa misy eto Madagasikara, maneho ny maha iray ihany isika antsika Malagasy. Nanasana ireo mpikabary, ny mpanoratra, ny poeta, ny mpianatry ny Lycée Philibert Tsiranana sy ny Sekoly ambony ESGAM.
Lanonana roa sosona no natao, dia ny fizarana ny marim-pakasitrahana ireo mpihira nandray anjara tamin’ny fetin’ny mozika sy ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy.
« IZAY MANAJA NY TENINY MANAJA NY TANINY »