FITOKANANA NY TRANOBEN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA FIANARANTSOA

« SOKELA HANIGNA »: io no anarana nomena ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Fianarantsoa izay notokanan-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana ANDRIATONGARIVO androany. Nanatrika izany lanonana ofisialy izany ireo tomponandraiki-panjakana rehetra eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, notarihin’ny Governoran’ny Faritra, ny Prefet an’i Fianarantsoa, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny tanàna ary ireo tompon’andraikitra amin’ny sampan-draharaham-panjakana samihafa.

Ity no Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina fahefatra notokanana.

  • – Misy efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerevana horonan-tsary (auditorium) mahazaka olona 550 mipetraka izy ity.

« Auditorium HORIJA» no anarana nomena io efitrano lehibe io noho ny lanjan’izany atao hoe Horija izany eto amin’ny faritra Matsiatra Ambony.

  • – Misy ihany koa ny efitrano fanaovana fampisehoana mivelatra (salle d’exposition)
  • – Toeram-pamakiam-boky (bibliothèque) izay ratsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara
  • – Efitrano fanaovana informatique (salle informatique)
  • – Misy efitrano fivoriana na fiofanana na fanaovana valan-dresaka
  • – Misy efitrano ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety
  • – Misy efitrano ho an’ny fikambanan’ny mpanakanto

Ankoatra izay, toy ny tany amin’ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra, dia notolorana fanamafisam-peo sy zava-maneno feno ny « Auditorium HORIJA» izay fanomezana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.

Nifanindran-dalana tamin’ity lanonana fitokanana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina androany ity ihany koa ny fizarana mari-boninahitry ny Kanto, ny Soratra sy ny Kolontsaina. Mpanakanto 5 no nahazo ny Commandeurs, 2 Officiers, 29 no nomena ny Chevalier.