FITSIDIHANA NY FANAMBOARANA NY TOSIK’ART TAO MIARINARIVO

Nandritra ny fandalovany tao Miarinarivo tamin’ny faran’ny herinandro teo, dia nitsidika ny fanamboarana ny « TOSIK’ART : Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel et industrie créative » ihany koa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy ny mpiara-miasa aminy.

Nijery ny fandrosoan’ny asa izy sy izay mety ho fanitsiana mila hatao ihany koa ao anatin’ny asa fanamboarana. Raha ny tombatomban’ny orinasa nahazo ny tsenan’asam-panjakana momba azy io dia eo amin’ny 2 volana sisa dia ho vita tanteraka ny asa.

Ity Ivotoeram-pikotrehana orinasa ity dia natao indrindra ho an’ireo tanora manana vina famoronana eo amin’ny lafiny kolontsaina sy zavakanto, ka maniry ny hamadika izany ho orinasa hivelomany sy hamoronany asa ihany koa. Kotrehina ao anatin’ity Ivotoerana ity araka izany ilay tetikasa, izany hoe ampiana ny tanora mba hamadika ilay vinany ho tetikasa azon’ny banky vatsiana vola, hofanina koa izy eo amin’ny fomba fananganana sy fitantanana orinasa, fiofanana maro no omena azy tahaka ny « administration d’entreprise, ressources humaines, marketing, leadership, montage de projets… sns ».

Ny Minisitera ihany koa dia manampy azy hijery ny lalambola any amin’ny banky, ary mipetraka ho « caution morale » amin’izay famatsian’ny banky vola ireo tetikasa efa voakotrika tao amin’ny « TOSIK’ART ». Farany dia manampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra ihany koa ny Minisitera.

Marihana fa efa misy « Centres d’incubation » mitsangana any Toamasina sy eto Antananarivo. Ary 7 hafa kosa no andalam-pananganana amin’ny faritra samihafa ankehitriny.