TRANOBEN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA AMORON’I MANIA: HO VITA TSY HO ELA KA HO AFAKA AMPIASAINA AVY HATRANY
Nandritra ny dian-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, any amin’ny Faritra Amorin’i Mania dia nanararaotra nitsidika ary nijery ny fivoaran’ny asa fananganana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Ambositra ny tenany.
Tahaka ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra any amin’ny faritra, mitovy avokoa ny firafitry ny tao-trano sy ny sampana rehetra ho hita ao anatiny. Isan’izany ny efitrano fanaovana fampisehoana (auditorium) lehibe, ny efitrano fanaovana fampirantiana (salle d’exposition), efitrano fanaovana valan-dresaka, efitrano hikirana ny informatika, birao natokana ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety, ny ivo-toeram-pamakiam-boky izay azon’ny rehetra ampiasaina.
Tsy ho ela dia hirosoana ny fitokanana ity foto-drafitrasa ho an’ny vahoakan’Amoron’i Mania ity hoy Ramatoa Minisitra raha vantany vao azo ny tetibola ho amin’ny fampitaovana azy sy rehefa vita ny fanajariana ny faritra ivelany. Tafiditra ao anatin’ny vina sy fanamby apetraky ny fitondram-panjakana ny fananana foto-drafitrasa tahaka an’itony izay mametraka ny lanjan’ny Serasera sy ny kolontsaina amin’ny toerana sahaza azy.