FIHAONANA TAMIN’NY VEHIVAVY MPIANATRA HO MANAMBONINAHITRA POLISY- AMBOHIMANGA ROVA
Namaly ny fangatahan’ireo vehivavy mpianatra ho « officier de police » sy « commissaire de police » eo anivon’ny Sekoly ambony manofana ho amin’izany dia ny ENSP ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO.
Naniry ny hanaovan-dRamatoa minisitra fizarana traikefa izy ireo amin’ny maha-vehivavy mpitarika na « femme leader » azy ary hizara ny fomba fijeriny ny « vehivavy izay misehatra eo amin’ny lafiny politika » ihany koa.
Tamin’ity alakamisy ity ary dia notanterahina teny Ambohimanga Rova ny fihaonana teo amin’ireo vehivavy mpianatra ho manam-boninahitra polisy ireo sy Ramatoa minisitra nomban’ny mpiara-miasa aminy.
Nisy ny fitsidihana ny Rovan’Ambohimanga izay vao nohavaozin’ny ekipa mpitantana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny, tao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona naha- vakoka maneran-tany na « patrimoine mondial » azy. Nihatsara sy niova endrika tanteraka moa ny Rova ankehitriny taorian’ireo fanamboarana maro izay natao teny an-toerana.
Taorian’izay dia nanasa azy ireo Ramatoa Minisitra mba hiaraka hanao « TAGNAMARO » ny zotra andehanan’ny mpizahantany sy mpitsidika ny Rova, dia ilay antsoina hoe « circuit long » ka namelomana indray ny lalana miainga aty an-tampon’Ambatomihaotendro, mihodidina ny vohitr’Ambohimanga ka mivoaka aty amin’ny vavahadin’i Tsiombiomby. 5 taona izay no tsy nisokatra intsony ho an’ny mpitsidika io « circuit » io dia izao novelomina izao indray nanomboka tamin’ity androany ity vokatry ny « TAGNAMARO » natao teny an-toerana.
Nandritra ny dinidinika dia nisy koa ny famalian-dRamatoa minisitra ny fanontaniana maro napetrak’ireo mpianatra, izay liana tokoa tamin’ny zotram-piainana ara-politika nolalovany, ny fananany herim-po sy herin-tsaina ary fahasahiana lehibe miatrika ireo sedra maro teo amin’izay safidy politika nataony izay, ny fananany « haitarika » na « leadership » izay nampiaiky an’ireo vehivavy mpianatra fa filamatra tokony alain-tahaka ihany koa satria izy ireo dia natao hitarika olana koa aorian’ny fianarana izay ataony, ny fijoroany amin’ny fotokevitra maharesy lahatra azy ka tsy mahakivy na mampihemotra azy mihitsy na inona na inona fanenjehana sy famotehana nezahina natao azy, ary indrindra koa ny « soatoavina » na « valeurs » izay mibaiko azy eo amin’izay fanaovany politika izay.
Anisan’ny tena notsindrian-dRamatoa Minisitra moa ny fananana saina mafy sy efa nivonona efa ela ka tsy voahozongozona amin’izay fanenjehana mety sedraina ary tsy miraviravy tanana na oviana na oviana fa vonona hijoro hatrany. Ny fitiavan-tanindrazana no tena mibaiko hoy izy, fa eo ihany koa ny faharesen-dahatra fa afaka manova zavatra amin’ny fanompoana ity firenena ity.
« Rehefa manana finiavana hanova ianao dia tsy maintsy mafy ny fanenjehana kanefa rehefa mahalala ianao fa tsy nanao ratsy, tsy nangalatra na nanodinkodina ny volam-bahoaka, tsy nanao kolikoly na nanararaotra ny fahefana nampindramina anao, ary indrindra nanome ny fara-herinao nanaovana ny asanao ho an’ny firenena, dia madio ny sainao ka tsy misy tokony hampitsanga-menatra anao ».
Tsy nisalasala ihany koa izy nanamafy fa manana ekipa tsara rafitra sy mitovy faharesen-dahatra aminy ka samy manao ny ainy tsy ho zavatra mba entina manova sy manatsara ny vokatra azo amin’ny andraikitra nankinina tamin’izy ireo.
Taorian’ny fifampizarana moa dia nanolotra fanomezana ho an-dRamatoa Minisitra ireo mpianatra, ary Ramatoa Minisitra ihany koa dia nanolotra fanomezana ho azy ireo tahaka ny satroka « police » izay ilain’izy ireo any ampianarana, sy boky samihafa toy ny « code pénal » ilain’izy ireo amin’ny asany aoriana kely, sy ny « fiandohan’ny Malagasy » izay novokarin’ny Minisitera ihany.