FITSIDIKA NY ASA VITA TAORIAN’NY TAGNAMARO CSB II FARAFANGANA.

Taorian’ny Tagnamaro fanadiovana faoben’ny tananàn’i Farafangana dia niaraka nijery ny vokatry ny « TAGNAMARO MANOKANA FANARENANA » ny CSB II Farafangana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy ny Minisitra mpiahy ny Faritra Atsimo Atsinanana, Ramatoa Gisèle RAMAMPY Minisitry Asam-panjakana ny Asa ary ny fampananana asa no sady Minisitry ny Fitsarana mpisolo toerana sy ireo mpiara-miasa aminy.

Nandritra fijerena ny CSB II izany no nisaoran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo rehetra niara-nisalahy tamin’izao Tagnamaro fanarenana manokana izao sy nampatsiahivany fa fanapahan-kevitra efa noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny fampiasana ny TAGNAMARO ho isan’ny fitaovana enti-manarina haingana ny takaitra navelan’ny rivo-doza teto amintsika.

Nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny vahoakan’ny Farafangana amin’izao nahavitana ny fanarenana ny CSB II ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izao Ramatoa Minisitra mpiahy ny Faritra Atsimo Atsinanana, Gisèle RANAMPY.
Nambarany nandritra ny fandraisany fitenenana ihany koa fa afa-po tanteraka ny tenany satria dia niverina ho toy ny vaovao ny CSB Farafangana taorian’ny Tagnamaro fanarenana natao ary izany dia tao anatin’ny 3 andro monja nandalovan’ny delegasion’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tany an-toerana.

Nisy ny fiarahan’ny Minisitra roa tonta tamin’ity androany ity nametraka ny takelaka fanamarihana ity Tagnamaro fanarenana manokana teto Farafangana ity.