TOHANA HO AN’IREO MPANAO GAZETY AO FARAFANGANA

Mandritran’ny iraka ataony any Farafangana dia nanararaotra nihaona tamin’ireo mpanao gazety tsy ankanavaka tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana androany Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, izay isan’ny traboina tamin’ny ankapobeny ihany koa vokatry ny fandalovan’ny rivodoza roa nifanesy.

Nandritra izany no nitondrany fisaorana manokana sy fankaherezana ireo mpanao gazety tamin’ny andraikitra lehibe izay niantsorohan’izy ireo nandritra ny vanim-potoana sarotra na ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati farany teo izany na ny fanohizana ny ady amin’ny coronavirus.

Niarahaban’ny minisitra mpiahy azy ireo ihany koa noho ny fahavitan’ny fifidianana izay ho mpikambana tao anatin’ny Holafitry ny mpanao gazety, ka ananan’izy ireo ankehitriny Filoha Lefitra, dia ny mpanao gazety Tata RANDRIANAMBININA, sy mpanolotsaina ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Zava-dehibe hoy ny Filoha Lefitry ny OJM Atsimo Atsinanana ny fanomezan-danja sy ny fijerena manokana ireo mpanao gazety any amin’ny faritra tsirairay avy.

Nanolotra vatsy ho an’ny mpanao gazety Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, entana ilaina andavanandro toy ny vary, menaka, siramamy, sira, savony, ronono, voamaina sns… mba ho mariky ny fanohanana azy ireo.

Nohararaotina tamin’izany ihany koa ny fizarana ny boky mirakitra ny lalàna mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery ho an’ireo mpanao gazety tao Atsimo Atsinanana.