LANONANA FANAMARIHANA NY « VASUDHAIVA KUTUMBAKAM »

KOLONTSAINA INDIANA MIFANDRAY AMIN’NY FANDAHARAN’ASA « IRAY IHANY ISIKA » VOIZIN’NY MSK.

Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no nasain’ny Ambasadaoro Indiana Andriamatoa Abhay KUMAR hiahy ny fanamarihana ny « Vasudhaiva Kutumbakam », izay filozofia iray Indiana maneho fa : « Iray ihany izao tontolo izao ary fianakaviana iray ihany koa », ary fametrahana ny takelaka manamarika izany Kolontsaina Indiana izany tetsy Tsaralalana manoloana ny Ambasady Indiana androany.

Nisy ny fampirehetana labozia ho fanamarihana ihany koa ity lanonana ity araka ny fomba amam-panao Indiana amin’ny fotoana toy izao.

Nambaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa : « fa mifandraika tanteraka amin’ny fandaharanasa noforonin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina « Iray Ihany Isika » ity filozofia Indiana iray ity ka isan’ny antony lehibe nanekena izao fanasana hiahy ity lanonana fanamarihana ity izao.

Zava-dehibe amin’ny Fanjakana Malagasy ny maha iray ihany antsika Malagasy, satria na eo aza ny mety ho fahasamihafana ara-pinoana, ara-pihodirana, ara-poko na ara-batana dia iray ihany tokoa isika Malagasy satria efa natambatr’Andriamanitra ho iray ao anatin’ity Nosy ity ».

Manoloana ny fandranitana adim-poko ataon’ny mpanao politika sasantsasany sy ny fivoizana izany eo amin’ny adihevitra politika ankehitriny dia nanao antso avo Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mba tsy ho latsaka ao anatin’izany vela-pandrika izany ny vahoaka Malagasy satria loza ho an’ny firenena ny fampizarazarana na ny fanavakavahana ara-poko.

Masoivoho maro sy solotenan’ny sehatra iraisam-pirenena maromaro no nanatrika ity lanonana ity, toa ny masoivohon’i Soisa, Iran, Indonezia, Vatican, Nosy Komoro, Japana sy ny solontenan’ny Vondrona Eropeana sy ny ONUDI.