FANOKAFANA NY VAROTRA FAMPIRANTIANA NY SANGAN’ASAN’ I FINOANA RATOVO

Nosokafana androany faha-14 martsa 2022 teto amin’ny IVOKOLO Galerie d’Art R.R Raparivo ny varotra fampirantiana ny sangan’asan’i Finoana Ratovo, tovovavy manan-talenta amin’ny resaka sarisokitra vita amin’ny vy miompana amin’ireo zava-mananaina sy ny tontolony eto Madagasikara.

Ny tanjon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia ny fanandratana ny talentan’ny tanora amin’ny fahaizany mifehy ny zava-kanto ataony.

Maharitra iray volana sy tapany ny fampirantiana izay hanasa antsika tsy ankanavaka hitsidika izany. Misokatra amin’ny 09 ora maraina hatramin’ny 04 ora hariva ny varavarana.

Tsy misy vidim-pidirana.