𝚃𝙰𝙶𝙽𝙰𝙼𝙰𝚁𝙾 𝟸𝟻 𝙼ARTSA 𝟸𝟶𝟸𝟸 TAO AMIN’NY KAOMININA AMBATOMENA.

Kaominina Ambatomena: Navaozina tamin‘ny alalan’ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 ny CSB2 sy ny efitrano fandraisana ireo vehivavy avy niteraka ary ny manodidina ny toeram-pitsaboana.

Kaominina ambanivohitra ao anatin’ny distrikan’ny Manjakandriana i Ambatomena. 21km miala an’i Talata Volonondry manaraka ny lalam-pirenena faha-3 iny no misy azy.

Ratsy ny lalana eo amin’ny 6km miala ny RN3 miditra ny kaominina Ambatomena kanefa tsy nahasakana ny fanatontosana ny 𝕋𝔸ℕ𝔾𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 izany.

Nosafidian’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay tarihin’i Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO hanaovana 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 manokana ity kaominina ity androany, noho ny fangatahan’ireo ben’ny tanana marobe ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana mba hanaovana TAGNAMARO ireo fotodrafitrasam-panjakana maro efa miha simba ka mila fanarenana any amin’izy ireo, fisantarana ihany araka izany ny kaominina Ambatomena fa neken-dRamatoa minisitra ny fangatahan’ireo ben’ny tanana ka hitety ny kaominina ao amin’ny distrikan’ny Manjakandriana ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanohy ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 efa natomboka androany.

Maro ny fanavaozana natao teo anivon’ity toeram-pitsaboana ity, toy ny fandokoana ny toeram-pitsaboana CSB2 sy ny toeram-pandraisana mpiteraka anatiny sy ivelany, fandokoana ny tambohon’ny EPP Ambatomena izay manamorona ny arabe, fanadiovana isan-karazany, fanajariana zaridaina ary fandokoana ny tamboho miala ny lapan’ny tanàna Ambatomena midina makany amin’ny CSB2.

Niara-nientana ireo fokonolona tao an-toerana tamin’ny fanatontosana ny asa.

Nandray anjara mavitrika tamin’ity 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 manokana ity ireo « agents communautaires » sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo: ny mponina tao an-toerana, ny mpampianatra teo amin’ny EPP Ambatomena, ny mpiasan’ny toeram-pitsaboana CSB2, ny zandarimariam-pirenena ary ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Laharam-pahamehana ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny mampita ny lalantsaina fonosin’ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆, ary hita taratra fa tafita izany raha ny fahavitrian’ireo fokonolona nifanome tanana androany no jerena.