ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY TEATRA.

NOMARIHINA TAO AMIN’NY IVOKOKOLO ANALAKELY NY 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕆 𝕄𝔸ℕ𝔼ℝ𝔸ℕ-𝕋𝔸ℕ𝕐 ℍ𝕆 𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝕋𝔼𝔸𝕋ℝ𝔸.

Tantara tsangana roa dia « 𝙶𝚘𝚕𝚘𝚐𝚘𝚝𝚊 » nolalaovin’ny Sakaizan’ny Teatra Malagasy LJJ Rabearivelo sy « 𝚃𝚊𝚏𝚒𝚘𝚝𝚛𝚊 𝟺𝟽 » nolalaovin’ny Tropy Ilo izay noravahana hira teatraly nentin’ny 𝔽𝕚𝕜𝕒𝕞𝕓𝕒𝕟𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝕄𝕡𝕒𝕟𝕒𝕠 𝕋𝕖𝕒𝕥𝕣𝕒 𝕄𝕒𝕝𝕒𝕘𝕒𝕤𝕪 no nentina nankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny teatra tao amin’ny Ivokola Analakely.

Hetsika nahasarika mpijery maro izay nokarakarain’ny 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥𝕖𝕣𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝕊𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒 niaraha-niasa amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Teatra Malagasy.

Nandritra ny lahateny nataony no nilazan-dRamatoa Minisitra Lalatiana ANDRIATONGARIVO fa mitohy ny fanohanana ny sehatry ny teatra malagasy izay nandalo fotoan-tsarotra nandritra ny taona maro noho ny tsy fisian’ny toerana ahafahana maneho an’izany zava-kanto izany amin’ny alalan’ny fananganana toerana ahafahan’ny maneho izany : isan’ireny ny efitrano Charles Ravaloson izay nanaovana ity fanamarihana androany ity fa eo ihany koa ireo tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina any amin’ny faritra maro, eo ihany koa ny ℍ𝕒𝕧𝕠𝕣𝕚𝕒 sy ny 𝔸ℕ𝔸ℂ.

Ny teatra izay ho isan’ireo taranja hampianarina ao amin’ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture » hoy ihany Ramatoa Minisitra.