NY VAKY SEHATRA HIRA GASY 2022.
NANOKATRA NY VAKY SEHATRA HIRA GASY 2022 RAMATOA MINISITRA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO.
Ny Fokontany Ambohijafy Kaominina Imerintsiatosika, Distrikan’Arivonimamo no nosafidian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny fiverenan’ny Hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, tamin’ny alalan’ny fanokafan-dRamatoa 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥𝕣𝕪 𝕟𝕪 𝕊𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒 Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO ny taom-pikatrohana 2022 amin’ny hira gasy niaraka tamin’ny Federasion’ny Mpanao Hira Gasy eto Madagasikara.
Niara-dia taminy tany an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tany Arivonimamo, dia i Zoky Andry.
Raha tsiahivina dia nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny Minisitera, nanao ny fampitana am-bava teo anatrehan’ny Filankevitry ny Minisitra nangatahana ny mba hiverenan’ny hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, taorian’ny krizy ara-pahasalamana noho ny Coronavirus.
Anisan’ny sehatra niharam-pahavoazana mafy ny kolontsaina satria efa ho roa taona dia zara raha afaka niasa ireo mpisehatra ao anatiny noho ny fiparitahan’ny valan’aretina, ka rariny loatra raha niady ny ahafahan’izy ireo misehatra indray ny Minisitera mpiahy.
Niandry fatratra izay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana izay ny mpanao hira gasy ka hafaliana ny nandraisan’izy ireo ny fanambarana nataon-dRamatoa Minisitra androany.
Marihana manokana fa ny 70% ny mpanao hira gasy dia saika avy amin’ny faritr’Itasy avokoa.
Ny 𝚑𝚒𝚛𝚊 𝚐𝚊𝚜𝚢 dia isan’ny Kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy, haikanto feno dia feno satria misy mozika, dihy, hira, kabary ary tantara.
Nambaran-dRamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny fa efa mandeha ny asa amin’ny hampidirana ny « 𝚑𝚒𝚛𝚊 𝚐𝚊𝚜𝚢 » ho ao anatin’ny lisitry « 𝚑𝚊𝚛𝚎𝚖-𝚋𝚊𝚔𝚘𝚔𝚊 𝚊𝚛𝚊-𝚝𝚜𝚊𝚒𝚗’𝚗𝚢 𝚣𝚊𝚗𝚊𝚔’𝚘𝚕𝚘𝚖𝚋𝚎𝚕𝚘𝚗𝚊 » eo anivon’ny UNESCO taorian’ny « 𝚔𝚊𝚋𝚊𝚛𝚢 𝚖𝚊𝚕𝚊𝚐𝚊𝚜𝚢 ».
Ankoatra izay dia nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fokontany Ambohijafy, kaominina Imerintsiatosika ihany koa Ramatoa Minisitra, namaly ny fangatahan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.