ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ZAVAKANTO

𝔸ℕ𝔻ℝ𝕆 𝕄𝔸ℕ𝔼ℝ𝔸ℕ-𝕋𝔸ℕ𝕐 ℍ𝕆 𝔸ℕ’ℕ𝕐 ℤ𝔸𝕍𝔸𝕂𝔸ℕ𝕋𝕆 : ℍ𝕒𝕟𝕠𝕙𝕒𝕟𝕒 𝕙𝕒𝕥𝕣𝕒𝕟𝕪 𝕚𝕣𝕖𝕠 𝕞𝕡𝕚𝕤𝕖𝕙𝕒𝕥𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕞𝕡𝕚𝕒𝕟𝕘𝕒𝕝𝕪 𝕟𝕪 𝕫𝕒𝕧𝕒𝕜𝕒𝕟𝕥𝕠 𝕟𝕪 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥𝕖𝕣𝕒 𝕞𝕡𝕚𝕒𝕙𝕪 𝕞𝕓𝕒 𝕒𝕙𝕒𝕗𝕒𝕙𝕒𝕟’𝕚𝕣𝕖𝕠 𝕥𝕒𝕟𝕠𝕣𝕒 𝕞𝕒𝕟𝕒𝕟-𝕥𝕒𝕝𝕖𝕟𝕥𝕒 𝕞𝕚𝕧𝕖𝕝𝕠𝕟𝕒 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕥𝕒𝕝𝕖𝕟𝕥𝕒𝕟𝕪. 

« Mba ho velona amin’ny talentany sy ny kanto izay ataony ireo tanora mpiangaly zavakanto » io no isan’ireo foto-kevi-dehibe hijoroan’ny politikan’ny Minisitera eo amin’ny sehatry ny zavakanto nanomboka ny taona 2019 ary naverin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝕃𝕒𝕝𝕒𝕥𝕚𝕒𝕟𝕒 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆 nandritra ny lahateny nataony androany tamin’ny 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝗻❜𝗻𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮𝗻𝘁𝗼.

«Hatrany am-piandohana dia nametraka fanamby ny ekipa mpitantana ny Minisitera ankehitriny ny amin’ny tsy hisian’ny seha-javakanto hadino. Izay no nahamarobe sy marolafy ireo fandaharanasa sy tetikasa izay napetraka nanomboka ny taona 2019 ho fampiroboroboana ny zavakanto malagasy » hoy ihany Ramatoa Minisitra.

15 Aprily : io no daty notapahan’ny teo anivon’ny fivoriambe faha-40n’ny UNESCO ny taona 2019 ho andro maneran-tanin’ny zavakanto. Fankalazana voalohany ho antsika eto Madagasikara kosa ny androany, izay notanterahina tetsy amin’ny 𝕀𝕍𝕆𝕂𝕆𝕃𝕆 Analakely nandritra ny tontolo andro.

Hita nandritra ny hetsika androany ny « live painting » toy ny fanaovana sary varatava notontosain’i 𝙰𝚗𝚒𝚝𝚊, ny atrik’asa fanaovana sarisokitra voakirakira amin’ny hazo sy vy nasehon’i 𝙼𝚒𝚑𝚊𝚛𝚢, ny fampirantiana hosodoko sy ny « 𝚝𝚊𝚐 » izay notontosain’i 𝙲𝚕𝚒𝚙𝚜𝚎.

Ankoatra izany, nisy ny seho an-tsehatra nahitana ny dihy nataon’ny 𝚁𝚊𝚘𝚣𝚢 𝙶𝚊𝚜𝚢, teo ihany koa ny hira natolotry ny tarika 𝚅𝚘𝚕𝚊𝚖𝚒𝚑𝚊𝚗𝚝𝚊.

Nisy ihany koa ny « 𝚂𝚕𝚊𝚖 » izay isany nandravaka ny hetsika tamin’ity androany ity.

Maro ireo tonga nijery sy nankafy ireo mpiangaly ny kanto tao amin’ny 𝕀𝕍𝕆𝕂𝕆𝕃𝕆 Analakely nandritra ity tontolo andro ity. Ny tanora no tena liana nijery ireo mpanakanto.