TAGNAMARO FORT-DAUPHIN

Fanatsarana ny toerana fialana sasatra manoloana ny CHRR Philibert TSIRANANA eto Tolagnaro ny TAGNAMARO tamin’ity volana aprily ity.

Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy , tohanan’ny Kaominin’ny ambonivohitrin’ny Fort-Dauphin, no nitarika ny hetsika izay notronin’ireo hery velona marolafy eto an-toerana miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana.

Mahafinaritra sy mahatamana ny mipetrapetraka sy mitsangatsangana amin’iny toerana iny ankehitriny satria efa voadio sy mazava soa.

Mankasikatra antsika rehetra nanome tanana ary naneho fitiava-tanindrazana tato anatin’ity TAGNAMARO ity.