TAGNAMARO MANOKANA 15 APRILY 2022

Kaominina Ampaneva: Navaozina tamin‘ny alalan’ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 ny CSB2 sy ny manodidina ny toeram-pitsaboana ary ny tambohon’ny kaominina.

Manohy ny fitetezana ny Kaominina samihafa ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mampita ny lalan-tsaina TAGNAMARO ho fanabeazana ny olom-pirenena ho tompon’andraikitra, izany moa dia araka ny fangatahan’ireo ben’ny tanana amin’ireo kaominina samihafa ireo, mba entina manavao ireo fotodrafitrasam-panjakana maro efa miha simba ka mila fanarenana any amin’izy ireo.aominina ambanivohitra ao anatin’ny distrikan’ny Manjakandriana i Ampaneva.

5km miala an’i Talata Volonondry manaraka ny lalam-pirenena faha-3 iny no misy azy.

Maro ny fanavaozana natao teo anivon’ity toeram-pitsaboana ity, ny toeram-pandraisana mpiteraka anatiny sy ivelany, ny trano fikarakarana sakafo hoan’ireo marary izay nosoloina tanteraka ny tafo satria efa feno lavadavaka ka nitete tsy azo nampiasaina rehefa avy ny orana, ny fanajariana zaridaina, fanamboarana sy fandokoana ny « 𝚝𝚎𝚛𝚛𝚊𝚒𝚗 𝚍𝚎 𝚋𝚊𝚜𝚔𝚎𝚝 » ary fanarenana ny tambohon’ny kaominina.

Nandritra ny fandalovany tany Ampaneva dia nanolotra fandriana, kidoro, bodofotsy ary lambam-pandriana ho an’ ilay toeram-pandraisana mpiteraka tao amin’ny kaominina Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥rin’𝕟𝕪 𝕊𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒.

Izany dia noho ny fahitana fa zara raha mba nisy fandriana atoriana ireo vehivavy vao avy niteraka tazomina ao amin’ny CSB.

Sambany hatramin’ny nitsanganan’ny Kaominina, 18 taona lasa izay no mba nisy minisitra tonga nitsidika an’Ampaneva sy niara-niasa tamin’ny vahoaka tahaka izao ka tsy nahagaga raha tonga maro ny fokonolona tany an-toerana notarihin’ny Ben’ny tananan’Ampaneva nandray anjara mavitrika tamin’ity 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 manokana ity, nampian’ny mpiasan’ny tobim-pahasalamana, ny zandarimariam-pirenena ny ben’ny tanàna teo amin’ny kaominina manodidina ary ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.