ππππππΌβπΈπ_βππππβπΌβπΈβπΈ πβπβπΈππΈ βπ πΈβ’βπ ππΈβπβπΈ Β« TOSIKβART Β» (Centre dβincubation Β« TosikβArt Β»).
πΉπβπΎπππΈππΈ : HO SOKAFANA TSY HO ELA HANAMPIANA NY TANORA.
Nitsidika ny fivoaranβny asa fananganana ny ivo-toeram-pikotrehina orinasa Β« Centre dβIncubation en entrepreneuriat culturel et industrie crΓ©ative TOSIKβART Β» ho anβi Bongolava Ramatoa πππππ€ππ₯π£πͺ ππͺ πππ£ππ€ππ£π π€πͺ ππͺ ππ ππ ππ₯π€ππππ πππππ₯ππππ βπππ π₯π πππ£ππ«πππͺ πΈβπ»βππΈππβπΎπΈβπππ.
Efa vita tanteraka ny fanamboarana ka tsy ho ela dia afaka hiodina sy azo ampiasaina avy hatrany ity ivo-toerana ity, tahaka ireo any aminβny Faritra izay efa nananganana izany.
Ny ivotoeram-pikotrehina orinasa ho an’ny tanora na ny Β« ππππππ π’ππππππππππ Β» dia toerana ahafahanβny tanora manan-talenta ara-kolontsaina na ara-javakanto na manana hevitra famoronana eo aminβny sehatry ny kolontsaina, zavakanto na serasera ihany koa, mahazo fiofanana isan-karazany, torolalana sy torohay mba ahafahany mamadika izany talenta na hevitra izany ho tetikasa fananganana orinasa (start-up).
Ampiana araka izany ireo tanora ireo mba hahay mandrafitra tetikasa, mitantana orinasa, mitady lalam-barotra aminβny vokatra tiany hovokarina, manao Β« business plan Β» hitadiavana famatsiam-bola aminβny banky, ary mampiodina ilay orinasa mba ahafahany mivelona aminβny kanto izay ataony.
Maro ny tanora malagasy no manana hevitra sy vina fa tsy ampy tosika ahafahany mamadika izany ho orinasa ivelomany.
Tafiditra ao anatinβny Veliranonβny Filohanβny Repoblika rahateo ny fanosehana ny tanora aminβny fananganana orinasa aminβny sehatra rehetra.
Fahatelo tamin’ireo Β« Centre dβincubation Β» atsangana ity eto πΉπ πππ πππ§π hotokanana tsy ho ela ity. Ankoatra ireo anefa dia mbola misy 6 hafa ihany koa no andalam-pananganana aminβny faritra sy any aminβny renivohi-paritany samihafa.