TAGNAMARO DISTRIKAN’NY NOSY-VARIKA FARITRA VATOVAVY
Mba ho fanalana ny fahasahiranan’ireo vahoaka mandeha eny Ampitaka, anilan-drano mandalo, indrindra ireo fiara mihazo ny lalana eo amban’ny JIRAMA mankany amin’ny siranan’ny bac eto amin’ny fokontany Tanambao V dia teto no nanaovana TAGNAMARO tamin’ity volana ity.
Rarivato no nanaovana ny lalana noho io toerana io « bodraka » rehefa avy ny orana.
Nasiana lalan-drano ny sisiny mba hisy ivoahan’ny rano.
Tonga maro ny olona nanatanteraka ny asa.