« TOAMASIÑA TALÔHA AVAKE AVAHIZO »

FAMPIRANTIANA SARIPIKAN’NY TANANAN’I TOAMASINA AO AMIN’NY MOZEA VAVITIANA

Nosokafana ny Zoma 22 Avrily 2022 teo ny hetsika fampirantiana ny saripikan’ny tanànan’i Toamasina tamin’ny taona 1903 sy ny taona 2022 nampitondraina ny lohateny hoe TOAMASIÑA TALÔHA AVAKE AVAHIZO izay karakarain’ ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina miaraka amin’ny Fikambanana A.TOA na ny « Amis de Toamasina » izay isan’ireo fikambanana misehatra amin’ny lafiny kolontsaina sy fiarovana ireo harembakoka eto Toamasina.

Haharitra telo volana ity fampirantiana tena mahaliana ity ao amin’ny MOZEA VAVITIAÑA Ampasimaza Toamasina hanasana antsika rehetra hitsidika.

Fotoana sy ora fisokafan’ny Mozea Vavitiana :

– Alatsinainy hatramin’ny Alahady

– Maraina : 08ora – 12ora

– Folakandro : 02 ora – 04 ora 30.