๐๐ฐ๐ถ๐ฝ๐ฐ๐ผ๐ฐ๐๐พ ๐ผ๐ฐ๐๐พ๐ฐ๐ฝ๐๐๐ด๐๐๐ฐ (TOHINY)
NANADIO NY MANODIDINA NY FOIBEN-TOERANโNY TVM SY NY RNM NY VAHOAKA MAROBE.
Nandritra ny Tagnamaro nentina nanarenana ny foiben-toeranโny TVM sy ny RNM Maroantsetra omaly izay notarihin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina dia marobe ireo vahoakanโi Maroantsetra niara-nientana nanadio sy nikolokolo ny taty ivelany trano sy ny manodidina rehetra.
Nadio sy nilamina i Ambohimasina, toerana misy ireo biraom-panjakana eto Maroantsetra, noho ny asanโny tร nana maro mikolokolo ny fananana iombonana, olom-pirenena manome fotoana ho anโny tanindrazana.