ℍ𝔸𝕃𝕃 𝔻’𝕀ℕ𝔽𝕆ℝ𝕄𝔸𝕋𝕀𝕆ℕ π”Έβ„•π•‹π•Šπ•€β„π”Έπ”Ήπ”Ό

ℕ𝕆𝕄𝔼ℕ𝔸 𝔼ℕ𝔻ℝ𝕀𝕂𝔸 𝕍𝔸𝕆 𝕋𝔸𝕄𝕀ℕ’ℕ𝕐 𝔸𝕃𝔸𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 𝕄𝔸ℕ𝕆𝕂𝔸ℕ𝔸 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕆𝔸ℕ𝕐

Nahavelom-bolo ny fahamaroan’ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika π•‹π•’π•˜π•Ÿπ•’π•žπ•’π•£π•  manokana notanterahina tao Antsirabe androany Sabotsy 30 Avrily 2022.

Nosafidiana nanatanterahana izany ny ivo-toerana misy ny πŸ„·πŸ„°πŸ„»πŸ„» πŸ„³β€™πŸ„ΈπŸ„½πŸ„΅πŸ„ΎπŸ…πŸ„ΌπŸ„°πŸ…ƒπŸ„ΈπŸ„ΎπŸ„½ ao an-tampon-tanΓ nan’Antsirabe, izay ahitana trano famakiam-boky (bibliothΓ¨que) sy foibena onjam-peo iray (station radio), ankoatra ireo efitrano ambiny izay mbola afaka ampiasaina.

Betsaka ny asa natao nifandrimbonan’ireo mpandray anjara tamin’ity π•‹π•’π•˜π•Ÿπ•’π•žπ•’π•£π•  ity.

Isan’izany ny fanoloana ny fitaratra vaky rehetra tamin’ny trano, fanamafisana ny tafo, fanamboarana ny fivoahan’ny rano, fanoloana ny fitaratra 16 sy ny Β« grillage Β» eo amin’ny toerana fanaovana peta-drindrina, fandokoana ny vata-trano anatiny sy ivelany, ankoatra ireo pitsopitsony samihafa.

Nandray anjara tamin’ity π•‹π•’π•˜π•Ÿπ•’π•žπ•’π•£π•  manokana tao Antsirabe ity ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina foibe, ireo Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina avy amin’ny faritra hafa, ny teo anivon’ny Polisim-pirenena sy zandarimariam-pirenena, ireo mpianatra ho polisy, ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, ireo mpianatry ny Centre Universitaire RΓ©gional.

Nanome tΓ nana tamin’ny fanaingoana tamin’ny alalan’ny kisary Β« graffitis Β» ny fikambanan’ny artista ao Vakinankaratra.

Tena tafapaka amin’ny vahoakan’Antsirabe ny lalan-tsain’ny Tagnamaro raha ny fahamaroan’ireo mpandray anjara androany.