𝔸𝕂𝕆ℕ’𝔸ℕ𝕂𝔸ℝ𝔸𝕋ℝ𝔸

𝔸𝕂𝕆ℕ’𝔸ℕ𝕂𝔸ℝ𝔸𝕋ℝ𝔸

𝕋ℝ𝔸ℕ𝕆𝔹𝔼ℕ’ℕ𝕐 π•Šπ”Όβ„π”Έπ•Šπ”Όβ„π”Έ π•Šπ• ℕ𝕐 π•‚π•†π•ƒπ•†β„•π•‹π•Šπ”Έπ•€β„•π”Έ ℍ𝕆 𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔽𝔸ℝ𝕀𝕋ℝ𝔸 𝕍𝔸𝕂𝕀ℕ𝔸ℕ𝕂𝔸ℝ𝔸𝕋ℝ𝔸 : ℕ𝕆𝕋𝕆𝕂𝔸ℕ𝔸ℕ’𝕀 𝔽𝕀𝕃𝕆ℍ𝔸ℕ’ℕ𝕐 ℝ𝔼ℙ𝕆𝔹𝕃𝕀𝕂𝔸.

Β« 𝔸𝕂𝕆ℕ’𝔸ℕ𝕂𝔸ℝ𝔸𝕋ℝ𝔸 Β» : io no anarana nampitondraina ity Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Antsirabe izay notokanan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika π”Έπ•Ÿπ••π•£π•ͺ ℝ𝔸𝕁𝕆𝔼𝕃𝕀ℕ𝔸 sy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝕃𝕒𝕝𝕒π•₯π•šπ•’π•Ÿπ•’ β„π•’π•œπ• π•₯π• π•Ÿπ••π•£π•’π•«π•’π•—π•ͺ 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆.

Ity no Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao fahadimy nosokafana tato anatin’ny herintaona.

Mitovy tanteraka amin’ny firafitry ny tao-trano any amin’ireo natsangana any amin’ny faritra samihafa ity eto amin’ny faritra Vakinankaratra ity :

Misy ny efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerena horonan-tsary mahazaka olona 550 mipetraka, miaraka amin’ireo fitaovana raitra izay fanomezan’ny Filoham-pirenena ho an’ireo artista.

Β« π™°πšžπšπš’πšπš˜πš›πš’πšžπš– πšƒπ™°π™½π™³π™Ύπ™½π™°π™Ίπ™° Β» no anarana nomena io efitrano lehibe io noho ny lanjan’izany gadon-kira mampiavaka ny faritra Vakinankaratra izany.

Misy ihany koa ny efitrano fanaovana fampisehoana mivelatra (πšœπšŠπš•πš•πšŽ 𝚍’πšŽπš‘πš™πš˜πšœπš’πšπš’πš˜πš—)

Toeram-pamakiam-boky (πš‹πš’πš‹πš•πš’πš˜πšπš‘Γ¨πššπšžπšŽ) izay rantsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara

Efitrano fanaovana informatique (πšœπšŠπš•πš•πšŽ πš’πš—πšπš˜πš›πš–πšŠπšπš’πššπšžπšŽ)

Misy efitrano fivoriana na fiofanana na fanaovana valan-dresaka

Misy efitrano ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety

Misy efitrano ho an’ny fikambanan’ny mpanakanto.

Zava-dehibe ny fampiroboroboana ny π•‚π• π•π• π•Ÿπ•₯π•€π•’π•šπ•Ÿπ•’ sy ny π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’ amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitrasa goavana tahaka izao, hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.

Nitodika manokana tamin-dRamatoa Minisitra ny Filoha ary nankasitraka azy sy ny fahaizany mitarika ny ekipa mpiara-miasa aminy.

Nankasitraka manokana ny asa sy ny ezaka napetraky ny π•„π•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯π•–π•£π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’ 𝕀π•ͺ π•Ÿπ•ͺ π•‚π• π•π• π•Ÿπ•₯π•€π•’π•šπ•Ÿπ•’, tarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO ihany koa ny Filoha, amin’ny finiavana apetrany hanatrarana ny veliranon’ny fampandrosoana.

#Tranoben_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina

#MSK

#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina