KAOFERANSA MOMBA NY SORATRA

« Ny aretin’ny poezia mifindra amin’ny firaisana ara-nofy ao amin’ny Facebook »

Notanterahana tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny Kaonferansa momba ny soratra nokarakarain’ny Vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko sy ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara.

« Ny aretin’ny poezia mifindra amin’ny firaisana ara-nofy ao amin’ny Facebook » no lohahevitra novelabelarin’i Hobiana AndrianimerinA tamin’izany.

Nandritra izany no namelabelaran’ny mpanoratra ny fiantraikan’ny fampiasana Facebook eo amin’ny tontolon’ny poezia.