HIARA-HIASA NY FAHITALAVI-PIRENENA MALAGASY, TVM, SY NY FAHITALAVI-PIRENENA INDIANINA, PRASAR BHARATI
Tontosa androany tetsy amin’ny foiben’ny 𝕆ℝ𝕋𝕄 𝔸𝕟𝕠𝕤𝕪 ny lanonana fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny 𝙶𝚘𝚟𝚎𝚛𝚗𝚎𝚖𝚊𝚗𝚝𝚊 𝙸𝚗𝚍𝚒𝚊𝚗𝚒𝚗𝚊 nosoloin’ny Masoivohon’i Inde eto Madagasikara tena, 𝕊𝔼𝕄 𝔸𝕓𝕙𝕒𝕪 𝕂𝕌𝕄𝔸ℝ sy ny 𝔾𝕠𝕧𝕖𝕣𝕟𝕖𝕞𝕒𝕟𝕥𝕒 𝕄𝕒𝕝𝕒𝕘𝕒𝕤𝕪 tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny ORTM, Jean Yves BELALAHY. Fifanarahana izay hiompana amin’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fahitalavitra nasionaly Indianina, Prasar Bharati, sy ny Televiziona Malagasy.
Voafaritra ao anatin’izany ny ahafahana mifanakalo fandaharana amin’ny alalan’ny famokarana anatiny (𝚙𝚛𝚘𝚍𝚞𝚌𝚝𝚒𝚘𝚗 𝚒𝚗𝚝𝚎𝚛𝚗𝚎), eo ihany koa ny ahafahana mamokatra fandaharana miaraka (𝚌𝚘-𝚙𝚛𝚘𝚍𝚞𝚌𝚝𝚒𝚘𝚗) ary farany ny ahafahana mandefa mpiasan’ny TVM hiofana any Inde.
Zava-dehibe ny fisiana fiaraha-miasa tahaka izao hanatsarana hatrany ny tolotry ny haino aman-jerim-pirenena, hoy ny Tale jeneralin’ny 𝕆ℝ𝕋𝕄. Hihatra avy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta aorian’izao fifanaovan-tsonia izao.