‘NDAO HAMAKY BOKY
Village Orange Ambohitseheno
Ny Commune Ambohitseheno no « Village Orange » indray no nandray ny fanentanana manodidina ny boky sy ny vaky boky ‘Ndao hamaky boky.
Ny ankizy avy ao amin’ny EPP, CEG, Lycée ary ny sekoly katolika no nandray ny fanentanana tamin’izany.
Nisy ny fizarana sy ny fifanakalozana teo amin’ireo mpianatra sy ireo mpanoratra tonga tany an-toerana.
Nisy ihany koa ny fanolorana boky malagasy ho an’ny CLAC Ambohitseheno, ny EPP ary ny CEG.