ANTSA TONONKALO TAO AMIN’NY TRANOMBOKIM-PIRENENA ANOSY.

Ny fikambanana TSANTA na Tiako Sy Andrianiko Ny teniko sy Taniko indray no nanatanteraka hetsika teto amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy omaly.

Antsa tononkalo nampitondraina ny lohateny hoe: « Ako-pahanginana » no noentin’izy ireo nandravahana ny fotoana tamin’izany.

Ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara dia tsy mitsahatra manome sehatra sy mampahafantatra ireo mpiantsehatra rehetra anatin’ny tontolon’ny soratra.