
πΈπ·πΎππ-π΅π°ππΈπππ° πΈπ·πΎππΎπΌπ±π΄ | βππππ«π ππ§π -π₯π ππ£πππ ππππ π₯π£πππππ π π£ππππ€π ππ£π-ππ ππ ππ₯π€ππππ ππ ππβππͺ π₯πππ π£π
Ho afaka hisitraka avy hatrany ny famatsiam-bola avy aminβny fandaharanβasa FIHARIANA eo anivonβny fiadidiana ny Repoblika ny tanora avy mandalo fikotrehana ao aminβny Ivotoeram-pikotrehana orinasa momba ny kolontsaina sy ny indostrianβny famoronana (Centre dβincubation en entrepreneuriat culturel et industrie crΓ©ative) ka mandresy lahatra ny tetikβasa fananganana orinasa izay entiny, io no vaovao lehibe nambaranβny π½πππ πππ’ππͺ βππ‘π πππππ πΈπππ£πͺ βπΈπππΌππβπΈ raha nitokana ny Β« Centre dβincubation Β» tao Ihosy, Ihorombe izy androany tolakandro, niaraka tamin-dRamatoa πππππ€ππ₯π£πͺ ππͺ πππ£ππ€ππ£π π€πͺ ππͺ ππ ππ ππ₯π€ππππ πππππ₯ππππ βπππ π₯π πππ£ππ«πππͺ πΈβπ»βππΈππβπΎπΈβπππ.
Ny Ivotoeram-pikotrehana orinasa momba ny kolontsaina sy ny indostrianβny famoronana (Centre dβincubation en entrepreneuriat culturel et industrie crΓ©ative) dia toerana ahafahanβny tanora manan-talenta ara-kolontsaina na ara-javakanto na manana hevitra famoronana eo aminβny sehatry ny kolontsaina, zavakanto na serasera ihany koa, mahazo fiofanana isan-karazany, torolalana sy torohay mba ahafahany mamadika izany talenta na hevitra izany ho tetikasa fananganana orinasa (πππππ-ππ).
Olana hatraminβizay ny tsy fahampianβny tosika ho anβny tanora manana faniriana hamorona ny orinasany manokana, na aminβny sehatra inona izany na aminβny sehatra inona, ka izany no antony hitondranβny fitondram-panjakana tantsoroka ho azy ireo, aminβny alalanβny Minisiteranβny Serasera sy ny Kolontsaina, nametraka ity ivo-toerana ity.
Tahaka ny aminβny Ivotoerana hafa efa misokatra dia hisy ny fampiofanana omenβireo matihanina aminβny sehatry ny fandraharahana ho anβireo tanora ireo, toy ny tari-dalana aminβny fananganana ny orinasa, ny fomba fitantanana orinasa (gestion dβentreprise), ny fikirakiram-bolanβny orinasa (comptabilitΓ© et finances dβentreprise), ny famolavolana ny atao hoe Β« ππππππππ ππππ Β», fitadiavana lalam-barotra, ny fitantanana mpiasa (gestion des ressources humaines), ny Β« marketing Β», sy ny maro hafa.
Maimaim-poana avokoa ny fisitrahana ny tolotra rehetra ao aminβny Β« ππππππ π’ππππππππππ Β», hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, mba hanatratrana ny tanjona apetraky ny fitondram-panjakana aminβny fanofanana ny tanora hanamorana ny fampananana asa.
Ity eto πΈπππππͺ πβπππ ity no Β« ππππππ π’ππππππππππ Β» fahatelo apetraka eto Madagasikara taorian’ny Toamasina sy Antananarivo.
Enina hafa ihany koa no eo an-dalam-pahavitana.