NDAO HAMAKY BOKY TAO AMIN’NY COMMUNE MASINDRAY

Ny Commune Masindray indray no nandray ny fanentanana manodidina ny boky sy ny vaky boky ‘NDAO HAMAKY BOKY androany.

Ity fanentanana Ndao hamaky boky ity dia fiarahamiasan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara sy ny Orange Solidarité Madagascar ary tanterahana any amin’ireo Village Orange.

Nandray an-dRakemba (mpanoratra sy mpitantara angano), Riri (mpanao sary) ary nitafatafa tamin’i Ranöe (mpanoratra, mpampianatra taranja malagasy ary anisan’ireo mpanoratra ao anaty fandaharam-pianarana) ireo mpianatry ny EPP, CEG ary ny Lisea teto Masindray.

Nisy ihany koa ny fanomezana boky malagasy ho an’ny Tranombokin’ireo sekoly ireo.

Village Orange hafa indray no hahazo ny fanentanana Ndao hamaky boky manaraka.