TRANOBEN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA | TAFAPETRAKA NY VATO FOTOTRA FANOMBOHANA NY ASA
Tapaka teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana 𝕋𝕣𝕒𝕟𝕠𝕓𝕖𝕟’𝕟𝕪 𝕊𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒 telo fanampiny ankoatra ireo 14 manerana ny Nosy.
Ka isan’ireo telo ireo ny any Ihosy. Napetraka androany ny vato fototra fanombohana ny asa entina hananganana izany.
Ny 𝙵𝚒𝚕𝚘𝚑𝚊 𝙰𝚗𝚍𝚛𝚢 𝚁𝙰𝙹𝙾𝙴𝙻𝙸𝙽𝙰 niaraka tamin-𝚍𝚁𝚊𝚖𝚊𝚝𝚘𝚊 𝙼𝚒𝚗𝚒𝚜𝚒𝚝𝚛𝚢 𝚗𝚢 𝚂𝚎𝚛𝚊𝚜𝚎𝚛𝚊 𝚜𝚢 𝚗𝚢 𝙺𝚘𝚕𝚘𝚗𝚝𝚜𝚊𝚒𝚗𝚊 𝙻𝚊𝚕𝚊𝚝𝚒𝚊𝚗𝚊 𝚁𝚊𝚔𝚘𝚝𝚘𝚗𝚍𝚛𝚊𝚣𝚊𝚏𝚢 𝙰𝙽𝙳𝚁𝙸𝙰𝚃𝙾𝙽𝙶𝙰𝚁𝙸𝚅𝙾 ary 𝚁𝚊𝚖𝚊𝚝𝚘𝚊 𝙵𝚒𝚕𝚘𝚑𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝙰𝚗𝚝𝚎𝚗𝚒𝚖𝚒𝚎𝚛𝚊𝚖𝚙𝚒𝚛𝚎𝚗𝚎𝚗𝚊 𝙲𝚑𝚛𝚒𝚜𝚝𝚒𝚗𝚎 𝚁𝙰𝚉𝙰𝙽𝙰𝙼𝙰𝙷𝙰𝚂𝙾𝙰 𝚗𝚘 𝚗𝚊𝚗𝚊𝚝𝚊𝚗𝚝𝚎𝚛𝚊𝚔𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚗𝚢 notronin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-toerana.
Nambaran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nandritra ny lahateniny fa ankoatra ny efa zavatra maro azo atao ao amin’ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo dia ampiana fanofanana arak’asa ihany koa amin’ireo toeran’ny serasera sy ny kolontsaina manerana ny Nosy ireo.
Ankoatra ireo 3 vao notapahan’ny Filan-kevitry ny Minisitra dia 5 ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina efa notokanana raha toa ka 9 kosa ireo miandry ny fitokanana azy tsy ho ela.
17 araka izany ny totalin’ireo faritra hisy Tranoben’ny Serasera afaka volana vitsy.
efitrano fanaovana fampisehoana mivelatra (𝚜𝚊𝚕𝚕𝚎 𝚍’𝚎𝚡𝚙𝚘𝚜𝚒𝚝𝚒𝚘𝚗)
Toeram-pamakiam-boky (𝚋𝚒𝚋𝚕𝚒𝚘𝚝𝚑è𝚚𝚞𝚎) izay rantsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara
Efitrano fanaovana informatique (𝚜𝚊𝚕𝚕𝚎 𝚒𝚗𝚏𝚘𝚛𝚖𝚊𝚝𝚒𝚚𝚞𝚎)
efitrano fivoriana na fiofanana na fanaovana valan-dresaka
birao ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety
efitrano ho an’ny fikambanan’ny mpanakanto.