BEALANANA : TAGNAMARO ADY AMIN’NY HALATRA OMBY

Vatan-dehilahy manodidina 500 isa avy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Beandrarezona sy Antanagnivo-Ambony no nifarimbona nanapaka ny làlana izay tsy maintsy andalovan’ireo dahalo mpangalatra omby any amin’ny distrikan’i Bealanana.

Any amin’ny toerana manakaiky ny efitany mampisaraka ny distrikan’i Bealanana amin’i Ambanja no nanaovana izany, androany Asabotsy 21 May 2022.

Raha ny fanazavana azonay tety an-toerana dia in-telo raha kely indrindra isaky ny herinandro no ahitana andian-dahalo manesy omby halatra mandalo amin’io toerana io.

Manoloana izany dia raikitra teto ny hady lavaka lehibe manapa-dàlana mba tsy ahafahan’ny dahalo sy ny omby halatra mandalo amin’iny toerana iny.

Manamafy ny fanazavana azo tety fa: « mandalo amin’io faritra io avokoa ny omby very rehetra avy ao amin’ny distrikan’i Ambanja, Analalava, ary Bealanana mialohan’ny hidiran’ny omby halatra amin’ny distrikan’i Antsohihy.

Tanjona tamin’izao Tagnamaro izao dia ny hampihena na hanafoana ny halatra omby, satria ho tapin-dalan-kaleha ny dahalo, hoy ireto vahoaka ireto manoloana izao Tanamaro hady lavaka ho fiarovana ny omby tsy ho lasan’ireo dahalo izao.