TAGNAMARO FENOARIVOBE BONGOLAVA

Fanadiovana faobe sy fanamboarana zaridaina teto amin’ny EPP Andranomirafy no nanehoana ny tagnamaro tamin’ny ity andiany ity ho an’ny Renivohitry ny Distrikan’ny Fenoarivobe, izay nandraisan’ireo olom-pirenena anjara.

Nosafidiana moa ity sekolim-panjakana ity noho izy toeranam-panovozam-pahalalana lovain-jafy, satria raha ny fantatra dia 800 latsaka kely eo ny zanaka Malagasy mandrato fahaizana ato.

Ny EPP Andranomirafy Fenoarivobe izay hankalaza tsy ho ela ny faha 85 taonany amin’ny 30 mai ka hatramin’ny 01 jona 2022 izao.