TVM-RNM IHOSY: NOTOLORANA FITAOVANA VAOVAO

𝙽𝚘𝚝𝚘𝚕𝚘𝚛𝚊𝚗𝚊 𝚏𝚒𝚝𝚊𝚘𝚟𝚊𝚗𝚊 𝚟𝚊𝚘𝚟𝚊𝚘 𝚑𝚘 𝚎𝚗𝚝𝚒-𝚖𝚒𝚊𝚜𝚊 𝚑𝚊𝚗𝚊𝚝𝚜𝚊𝚛𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚝𝚘𝚕𝚘𝚝𝚛𝚊 𝚑𝚘 𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚓𝚎𝚛𝚢 𝚜𝚢 𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚑𝚊𝚒𝚗𝚘.

Nifampitohy tamin’ny lanonana fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny « 𝙲𝚎𝚗𝚝𝚛𝚎 𝚍’𝚒𝚗𝚌𝚞𝚋𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗 𝚎𝚗 𝚎𝚗𝚝𝚛𝚎𝚙𝚎𝚗𝚎𝚞𝚛𝚒𝚊𝚝 𝚌𝚞𝚕𝚝𝚞𝚛𝚎𝚕 𝚎𝚝 𝚒𝚗𝚍𝚜𝚝𝚛𝚒𝚎 𝚌𝚛é𝚊𝚝𝚒𝚟𝚎 » androany ihany koa no niarahan’Andriamatoa 𝔽𝕚𝕝𝕠𝕙𝕒𝕟’𝕟𝕪 ℝ𝕖𝕡𝕠𝕓𝕝𝕚𝕜𝕒 𝔸𝕟𝕕𝕣𝕪 ℝ𝔸𝕁𝕆𝔼𝕃𝕀ℕ𝔸 sy Ramatoa 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥𝕣𝕪 𝕟𝕪 𝕊𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒 𝕃𝕒𝕝𝕒𝕥𝕚𝕒𝕟𝕒 ℝ𝕒𝕜𝕠𝕥𝕠𝕟𝕕𝕣𝕒𝕫𝕒𝕗𝕪 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆 nanolotra ny fitaovana raitra, arifomba ary manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ho an’ny 𝕋𝕍𝕄 – ℝℕ𝕄 ao Ihosy.

Fitaovana samihafa mba ahafahana manatsara ny kalitaon’ny asa eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana any na-toerana, araka ny fangatahan’ireo mpiara-miasa. Fitaovana vaovao no natolotra ho an’ny mpiara-miasa eo anivon’ny 𝕋𝕍𝕄/ℝℕ𝕄 𝕀𝕙𝕠𝕤𝕪, toy ny caméra professionnel Full HD, mélangeur vidéo, table mixeur, micro pupitre, baffle portatif, groupe électrogène, microphones sans fil, onduleur, ankoatra ireo fitaovana samihafa ilaina anaty birao.

An-taonany maro no tsy mba nanana fitaovana manara-penitra tahaka izao ny haino aman-jerim-panjakana ao Ihosy, hoy Ramatoa Minisitra.

Tafiditra rahateo ao anatin’ny fanamby apetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fijerena ny fomba rehetra hanampiana ireo haino aman-jerim-panjakana manerana ny Nosy.