Β« 𝕍𝕆𝔸’𝔸ℝ𝕋, 𝕋𝕙𝕖 ℕ𝕒π•₯π•šπ• π•Ÿπ•’π• 𝕆𝕣𝕔𝕙𝕖𝕀π•₯𝕣𝕒 𝕠𝕗 π•„π•’π••π•’π•˜π•’π•€π•”π•’π•£ Β»

Β« 𝕍𝕆𝔸’𝔸ℝ𝕋, 𝕋𝕙𝕖 ℕ𝕒π•₯π•šπ• π•Ÿπ•’π• 𝕆𝕣𝕔𝕙𝕖𝕀π•₯𝕣𝕒 𝕠𝕗 π•„π•’π••π•’π•˜π•’π•€π•”π•’π•£ Β»

β„•π•’π•žπ•‘π•’π•™π•’π•—π•’π•Ÿπ•₯π•’π•£π•šπ•Ÿπ•’ π•Ÿπ•ͺ π•§π•’π•™π• π•’π•œπ•’ π•„π•’π•π•’π•˜π•’π•€π•ͺ π•₯π•’π•žπ•šπ•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•—π• π•žπ•“π•’ π• π•—π•šπ•€π•šπ•’π•π•ͺ π•₯π•–π•Ÿπ•ͺ π”Έπ•Ÿπ••π•’π•—π•šπ•’π•§π•’π•£π•’π•₯𝕣𝕒.

Mozika sy hira fiantsa teny an-dRova sy tao amin’ny lapan’ny Mpanjaka fahizay ankoatra ny sangan’asan’ireo mpanakanto malagasy manana ny lazany no novelomina nentina nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Orkesitra Nasionalin’i Madagasikara, Β« πš…π™Ύπ™°’π™°πšπšƒ, πšƒπš‘πšŽ π™½πšŠπšπš’πš˜πš—πšŠπš• π™Ύπš›πšŒπš‘πšŽπšœπšπš›πšŠ 𝚘𝚏 π™ΌπšŠπšπšŠπšπšŠπšœπšŒπšŠπš› Β» tamin’ny vahoaka Malagasy.

Fampisehoana izay teo ambany fiahiana avon’ny π”½π•šπ•π• π•™π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ β„π•–π•‘π• π•“π•π•šπ•œπ•’ π”Έπ•Ÿπ••π•£π•ͺ ℝ𝔸𝕁𝕆𝔼𝕃𝕀ℕ𝔸.

Tsiahivina ihany fa sambany ary voalohany eo amin’ny tantara no hanana ny π“žrkestra 𝓝asionaly π“œalagasy voalohany i Madagasikara na teo aza ireo Orkesitra samihafa niforona isam-piangonana.

Tany amin’ny taona πŸ™πŸ‘πŸžπŸ sy πŸ™πŸ‘πŸ‘πŸ˜ isika no nanana vondrona mpiangaly mozika marolafy kanefa tsy ampy ny fepetra mba hamadihana izany ho lasa Orkestra iray mihitsy.

80 mianadahy no mandrafitra ny 𝕍𝕆𝔸’𝔸ℝ𝕋, 𝕋𝕙𝕖 ℕ𝕒π•₯π•šπ• π•Ÿπ•’π• 𝕆𝕣𝕔𝕙𝕖𝕀π•₯𝕣𝕒 𝕠𝕗 π•„π•’π••π•’π•˜π•’π•€π•”π•’π•£; mpikambana izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy avokoa.

Misy amin’izy ireo no efa nilona tao anatin’ny filalaovana mozika efa ela, misy koa ireo manam-piniavana ny hisehatra amin’ny mozika izay voaantso handrafitra ny Orkestra.

Nahazo ary nanaraka fiofanana matianina tao amin’ny Akademia nasionalin’ny πš‰πšŠπšŸπšŠ-πš”πšŠπš—πšπš˜ sy ny π™Ίπš˜πš•πš˜πš—πšπšœπšŠπš’πš—πšŠ na ny 𝔸ℕ𝔸ℂ avokoa izy ireo, nialohan’ny nananganana ny mpikambana.

Nambaran-π••β„π•’π•žπ•’π•₯𝕠𝕒 π•„π•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯𝕣𝕒 𝕃𝕒𝕝𝕒π•₯π•šπ•’π•Ÿπ•’ β„π•’π•œπ• π•₯π• π•Ÿπ••π•£π•’π•«π•’π•—π•ͺ 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆 nandritra ny lahateny nentiny nampahafantarana ny Orkesitra Nasionalin’i Madagasikara fa hisolo tena ny firenena Malagasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny 𝕍𝕆𝔸’𝔸ℝ𝕋, 𝕋𝕙𝕖 ℕ𝕒π•₯π•šπ• π•Ÿπ•’π• 𝕆𝕣𝕔𝕙𝕖𝕀π•₯𝕣𝕒 𝕠𝕗 π•„π•’π••π•’π•˜π•’π•€π•”π•’π•£ mba tena hanamarika tokoa ny fiizina ara-kolontsain’ny firenena (identité culturelle).

Nankasitraka manokana ny Filohan’ny Repoblika Ramatoa Minisitra tamin’ny fankatoavana ny fananganana ny Orkesitra Nasionaly Malagasy, nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo.

Miroso hatrany amin’ny fanatanterahana ny velirano faha-𝟜 sy ny faha-πŸ™πŸ›, mamaritra ny tanjona amin’ny fampandrosoana ny lafiny Kolontsaina ny π•„π•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯π•–π•£π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’ 𝕀π•ͺ π•Ÿπ•ͺ π•‚π• π•π• π•Ÿπ•₯π•€π•’π•šπ•Ÿπ•’.