𝙽𝙳𝙰𝙾 𝙷𝙾 π™°π™½πšˆ π™Έπ™·π™Ύπš‚πšˆ

Tany Ihosy indray ny ekipan’ny Minisitera notarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO farany teo, nametraka fotodrafitr’asan-tserasera sy Kolontsaina ho lovain’ny taranaka: fitokanan ny Ivon-toerana Fikotrehina Orinasa ara-kolontsaina, ary fametrahana ny vato fototry ny Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina.

Koa manararaotra ny fandalovana tany Ihosy, ka mizara ny mombamomba ny any an-toerana.

π™΅π™°π™Όπ™°πšπ™Έπ™Ώπ™°πšπ™Έπšƒπ™°π™½π™° π™°π™½π™Ίπ™°π™Ώπ™Ύπ™±π™΄π™½πšˆ

Ny tanaΜ€nan’Ihosy dia manodidina ny 635 km miala an’Antananarivo, manamorona ny LaΜ€lam-pirenena faha-7 na RN7.

Izy no Renivohitra no sady Distrika mandrafitra ny ny faritra IHOROMBE, miaraka amin’ny Distrikan’Iakora sy Ivohibe.

« 𝔻𝕀𝕂𝔸𝕆 𝕄𝔹𝔼𝕃𝔸ℍ𝕐 𝔾ℕ𝔸𝕃𝕆ℍ𝔸 𝔽𝔸 𝕀ℍ𝕆ℝ𝕆𝕄𝔹𝔼 π•‹π•Šπ• π•„π•€β„π”Όπ•„π•†π•‹π•Šπ• 𝕂𝕆𝔸 » – Mandrosoa aloha ihany, fa Ihorombe tsy mihemotra afara intsony (𝔾𝕆 𝔾𝕆 𝕀ℍ𝕆ℝ𝕆𝕄𝔹𝔼!), io no teny filamatry ny Faritra.

Renivohitry ny foko BARA ihany koa Ihosy, na dia efa tena maro aza ny foko mpiavy maro an’isa.

πšƒπ™°π™½πšƒπ™°πšπ™° π™΅π™Ύπ™·πšˆ π™½π™Έπ™°πš…π™Έπ™°π™½’π™½πšˆ π™°π™½π™°πšπ™°π™½π™° π™Έπ™·π™Ύπš‚πšˆ

Fahiny fahagola, nisy olona avy tany atsimo tany very omby ka tonga nitady izany tety.

Tsy hita ireo omby fa ny tady no tavela teny amoron-drano.

π™·π™Ύπš‚πšˆ=tady amin’ny fiteny Bara.

Taty aoriana dia nomena anarana hoe π•€β„π•†π•Šπ• ilay renirano mandalo ety, na dia misy anarana maromaro aza izany arakaraka ny toerana andalovany (πšŸπš˜πš—πšπš›πš˜πšπš—πš’, πš‹πšŽπšŸπš˜πšŠπš’, πš’πš‹πš˜πšŽπš—πšŠ, πšŠπš–πš‹πš˜πšŠπšŸπšŠπšπš˜, πš–πš˜πš›πšŠπš›πšŠπš—πš˜).

π™½πšˆ π™³π™Έπš‚πšƒπšπ™Έπ™Ίπ™°π™½’π™Έπ™·π™Ύπš‚πšˆ

Manana Kaominina ambonivohitra iray (01) sy Kaomonina ambanivohitra miisa 20: Menamatiloto, Andohan’Ilakaka, Ilakaka be, Soamatasy, Andiolava, Ranohira, Antsoha, Zazafotsy, Ambia, Agnalaliry, Satrokala, Sahambano, Sakalalina, Analavoka, Irina, Mahasoa, Ambatolahy, Ankily, Ihosy kaominina ambonivohitra.

π™½πšˆ πšƒπ™Ύπ™΄πšπ™°π™½’π™½πšˆ π™Όπ™Έπ™½π™Έπš‚π™Έπšƒπ™΄πšπ™°π™½’π™½πšˆ πš‚π™΄πšπ™°πš‚π™΄πšπ™° πš‚πšˆ π™½πšˆ π™Ίπ™Ύπ™»π™Ύπ™½πšƒπš‚π™°π™Έπ™½π™° π™°πšƒπšˆ π™Έπ™·π™Ύπšπ™Ύπ™Όπ™±π™΄

RAFANOMEZANTSOANANTENAINA Émile Hervé no Talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina.

Miisa 12 ny isan’ny mpiasan’ny Minisitera, ka misy Sampan-draharaha misahana ny Serasera 01 eto Ihosy.

Ary misy Délégué 01 avy ao Iakora sy Ivohibe. Misy Chef d’antenne 01 koa miasa ao Ranohira.

π™Έπšπ™΄π™Ύ 𝙷𝙰𝙸𝙽𝙾 𝙰𝙼𝙰𝙽-π™Ήπ™΄πšπšˆ

Ireto ny Radiom-panjakana:

Radio lazan’Ihorombe 101.2 – Ihosy

Radio Lazan’Iakora ao Iakora

Radio lazan’Ivohibe ao Ivohibe

Radio lazan’Isalo ao Ranohira

Misy Haino aman-jery tsy miankina koa eto Ihosy dia ny Radio AVEC na « AudioVisuel d’expression ChrétienneΒ Β».

πš‚π™΄π™·π™°πšƒπšπšˆ π™½πšˆ π™Ίπ™Ύπ™»π™Ύπ™½πšƒπš‚π™°π™Έπ™½π™°

β„•π•ͺ π•—π• π•œπ•  𝔹𝔸ℝ𝔸 dia mizarazara maromaro arakaraka ny toerana niaviany: Bara be, Bara Tevondro, Bara Iatsantsa, Bara Imamono, Bara Zafimagnely…

β„•π•ͺ 𝕆𝕄𝔹𝕐- Makadiry amin’ny fiainan’ny Bara ny omby.

Ny fiainany iray manontolo dia akaikin’ny omby.

Na ny volon’omby aza dia manana ny lanjany (ohatra ny tamaΜ€na, soavolo mena, fosy panda, soavolo, remeso…).

𝔽𝕆𝕄𝔹𝔸𝔽𝕆𝕄𝔹𝔸:

HAVORIA no anarana iombonan’ny fety nentim-paharazana.

Na io Famadihana na karazany hafa.

TSIPIRANO kosa no fiantsoana ny joro atao.

Fety lehibe ihany koa ny SAVATSY na forazaza

IREO LASAN-KO RAZANA: Tsy miara-monina amin’ny maty ny Bara.

Lavitry ny taΜ€nana ny azy ny fasana ary tsy dia fanao aty ny mankalaza ny fetin’ny maty.

𝔽𝕆𝕄𝔹𝔸 𝔽𝕀𝕋𝔸𝔽𝕐: manana ny azy manokana ny Bara

𝕋𝔸𝕆-𝕍𝕆𝕃𝕆: anisan’ny manana tao-volo maro ny vehivavy Bara

𝔽𝔸𝔻𝕐: voanjobory, kabaro, dokotra, ampango

π™Έπšπ™΄π™Ύ π™Όπ™Ώπ™°π™½π™°π™Ίπ™°π™½πšƒπ™Ύ π™Όπ™°π™»π™°πš‰π™°

MATSUBARA

BARINJAKA

DRAGIN d’Ihosy

π™Έπšπ™΄π™Ύ π™·π™΄πšƒπš‚π™Έπ™Ίπ™° π™°πšπ™°-π™Ήπ™°πš…π™°-π™Ίπ™°π™½πšƒπ™Ύ

Festival KARITAKY ao Ranohira: « Gasy Raiky Lako (maro) lokoΒ Β» no teny filamatr’ity hetsika kisy efa folo taona mahery izay.

π™³π™Έπ™·πšˆ π™±π™°πšπ™°: Belamaky, Karitaky (dihin’omby)

π™Έπšπ™΄π™Ύ πšƒπ™Ύπ™΄πšπ™°π™½π™° 𝙼𝙰𝙽𝙰𝙽-πšƒπ™°π™½πšƒπ™°πšπ™°

– Grotte d’Andranomilitsy

– Ihosy Taloha

πš‰π™°π™½π™°π™Ί’π™Έπ™·π™Ύπš‚πšˆ π™Όπ™°π™»π™°πš‰π™°

RAMILAVONJY Simon (Minisitra teo aloha)

TSIANOY Paul, (Filohan’ny Fivondronana teo aloha)