TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

 

Madiva hifarana ny asa fanamboarana ny Biraom-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro vaovao eo Ambalabako Ambatondrazaka, ka fanadiovana ny manodidina ity fotodrafitrasa ity no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO androany sabotsy 21 may 2022.

Nifanome tanana nanala ireo lobolobo sy ny fako, nisoroka sy namafa ireo serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, fikambanana ary ireo mponina miasa sy monina eo amin’ny manodidina.

Nitarika izany ny Préfet an’Ambatondrazaka, ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka niaraka tamin’ny fiadidiana ny tanànan’Ambatondrazaka renivohitra.

Zava-dehibe ho an’ny Polisim-pirenena eto amin’ny faritra izao firaisan-kina izao hoy Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ka nitondrany teny fisaorana ho an’ny mpikarakara sy ireo olom-pirenena tonga maro nanatanteraka ny asa, ary nanentanany ny rehetra handray anjara mavitrika amin’ny hetsika TAGNAMARO.