TAGNAMARO ANDILAMENA
Fanamboaran-dalana ao amin’ny fiakaran-dRapaoly no hetsika TAGNAMARO natao tao Andilamena ny sabotsy 21 may 2022.
Nototofana ny lavadavaka ary nanaovana lakandrano ity ampahan-dalana mampifandray ny renivohitry ny Distrika amin’ireo kaominina manodidina ity.
Nisy ihany koa ny fanadiovana faobe ka nanolotra « tracteur » nitaomana ireo fako ny mponina.
Nitarika izany ny Lehiben’ny Distrikan’Andilamena niaraka tamin’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao an-toerana.
Nahatonga solontena avokoa ireo serivisim-panjakana isan-tsokajiny; nandray anjara ihany koa ny Skoto, ireo mponina eny amin’ny fokontany manodidina notarihin’ny Lehiben’ny fokontany, ny fikambanana « Amical des Cadres en Service », ny avy ao amin’ny kaominina ambonivohitra Andilamena ary ny Tangalamena.