Volana iray

Volana iray

Mpanoratra iray Antsa sy tafa niarahana tamin’i NIRINA RAKOTOVAO no namaranana ny volana iray, mpanoratra iray tamin’ity volana Mey ity.

Ankoatra ny fampahafantarana ny lalam-piainan’ity mpanoratra avy any amin’ny faritra Matsiatra Ambony ity, dia nisy ireo antsa tononkalo niarahana tamin’ireo tanora avy ao amin’ny haisora-kanto ary indrindra ny hira samihafa nandravaka ny fotoana.

Tsy tambo isaina ireo fanontaniana nanitikitika ireo mpanatrika mikasika ny aingam-panahin’i NIRINA RAKOTOVAO.

Marihina fa efa nisy ny amboaran-tononkalo milohateny hoe »Anjaram-pitia »izay efa navoakany.

Efa miroso amin’ny fiangaliana tantara foronina ihany koa ny mpanoratra NIRINA RAKOTOVAOankehitriny.

Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia miezaka hatrany manome sehatra ny mpikanto eo amin’ny sehatry ny Soratra toy izao.

Mankalaza sahady ny mpanoratra hampahafantarina amin’ny volana manaraka.