FANOLORANA BOKY HO AN’NY TRANOMBOKIM-PIRENANA AVY AMIN’NY MASOIVOHO SOISY

FANOLORANA BOKY HO AN’NY TRANOMBOKIM-PIRENANA AVY AMIN’NY MASOIVOHO SOISY

Tonga nanolotra boky apetraka sy ho vakian’ireo mpamaky ao amin’ny « Tranomboky ho an’ny dahobe » ny ambasadaoro Soisy miasa sy monina eto Madagasikara Chasper Sarott.

Ny tale jeneralin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara, Njaka Raonison, no nandray ireo boky ireo ary nanamafy hatrany ny fiaraha-miasa misy amin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara sy ny firenena Soisy.

Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny halalan’ny Tranombokim-pirenena dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ho fampiroboroboana ny tontolon’ny boky sy ny fanentanana mamaky boky eto Madagasikara.