« FASHION SHOW » MIHAMY MADA FASHION 2022

« FASHION SHOW » / MIHAMY MADA FASHION 2022

Mpamorona 20 mianadahy, nahitana ireo efa tena matianina sy ireo vao misondrotra no nampiranty ny vokatry ny asa famoronan’izy ireo tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Amin’ny maha filatroana narahina lavanty azy (Vente aux enchères) azy dia ireo fitafy hitan’ireo mpamorona fa tena miavaka amin’ny asa vitany no nandresen’izy ireo lahatra ny mpanatrika izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fanjifana ny asa famoronana vita malagasy.

Ity hetsika « Fashion Show » ity no isany zava-baovao nentina nandritra ity Mihamy Mada Fashion 2022 ity.

Ny hampifanakaiky ireo mpamorona malagasy amin’ireo mpanjifa azy ireo no tanjon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay tafiditra indrindra anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny fandraharahana ara-kolontsaina.