LANONANA FANOKAFANA NY HETSIKA MIHAMY MADA FASHION ANDIANY FAHATELO
Androany tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahasina no nanokafana ofisialy ny hetsika « MIHAMY MADA FASHION 2022» izay miditra amin’ny andiany fahatelo.
Hetsika natao hanomezana vahana sy tosika ny tontolon’ny haihaingo sy ny famoronana.
Tao anatin’ny telo taona izay, nifotoran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tanatina fitambarana fandaharanasa maro ny fampiroboroboana sy ny fanomezana vahana ny fandraharahana ara-kolontsaina na « Industrie créative et entrepreneuriat culturel ».
Isan’ireo ohatra ny « Tosik’Art », ny fananganana ny Ivo-toerana fikotrehina orinasa mifototra amin’ny kolontsaina, « Centre d’incubation Tosik’art » ary ny hetsika « Mihamy Mada Fashion ».
Kendrena anatin’ity hetsika goavana ity indrindra ny fanosehana ireo mpamorona ao anatin’ny fandraharahana ara-kolontsaina.
Tanjon’ny Minisitera anatin’ity hetsika lehibe ity ny hoe hampahafantatra bebekokoa ny sehatry ny haihaingo, ary koa mba hampiroboroboana sy hampivelaranaizany sehatra izany.
Kendrena kosa ny hisarihana ny tanora malagasy anatin’ny hetsika tahaka izao, izy ireo izay manana anjara biriky ihany koa amin’ny fampandrosoana ny firenena.