MIHAMY MADA FASHION 3 : FASHION SHOW ANJELY MAINTY ANOSY, HETSIKA GOAVANA SY NIAVAKA OMALY HARIVA

MIHAMY MADA FASHION 3 : FASHION SHOW ANJELY MAINTY ANOSY, HETSIKA GOAVANA SY NIAVAKA OMALY HARIVA

Nanjelanjelatra ny manodidina ny Anjely Mainty Anosy omaly hariva.

Hetsika goavana no sady hafakely, toerana miavaka, seho tsy mahazatra, sangan’asa miavaka, famoronana nataon’ireo mpanao haihaingo tsy ambakan’ny any ivelany no nitranga omaly tetsy amin’ny Anjely Mainty Anosy nandritra ny hetsika « Fashion Show » mandritra ity Mihamy Mada Fashion andiany fahatelo ity.

Nisafidy io toerana sy seho miavaka io ny Minisitera mba ahazoan’izany sehatry ny haihaingo izany taratra hazavana hafa.

Isany hetsika vaovao manamarika ny « Mihamy Mafa Fashion » tamin’ity andiany fahatelo ity ny fivoahana ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena ao anatin’ny fanomezana sehatra misintona ny mason’ny mpiara-belona amin’izany sehatry ny haihaingo malagasy izany ho fanohanana ireo mpamorona malagasy fa tsy nijanona fotsiny ihany amin’ny fampirantiana ny sangan’asan’izy ireo ao amin’ny Lapa tao Mahamasina.

Fanamby ary tanjon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny ahafahan’ireo « styliste » matihanina na vao misondrotra hivelona amin’ny talentany amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fandraharaharana ara-kolontsaina na « industrie créative et entrepreneuriat culturel ».

Mankasitraka tanteraka ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra tamin’ny fiaraha-miasa nanatontosana ny hetsika.

Mbola mitohy androany eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena ny Mihamy Mada Fashion 2022 amin’ny alalan’ny Fashion Show lehibe tsy misy vidim-pidirana fa toerana voafetra kosa izay hafanain’i Lion Hill sy Stéphanie.