NIFARANA NY MIHAMY MADA FASHION ANDIANY FAHATELO

Nifarana teo ny Mihamy Mada Fashion andiany fahatelo. Niavaka ity andiany ity, niezinezina ny hetsika natao, namirapiratra ireo mpanan-talenta amin’ny haihaingo, niaka-danja ny vita Malagasy.

Mankasitraka feno antsika rehetra nahalavorary an’iny andiany 2022 iny.

Singanina manokana :

– Ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena

– Ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra CUA – Commune Urbaine d’Antananarivo

– Ny TAFITA

– Ianareo mpamorona haihaingo sy ny mpampiranty rehetra izay nanao ezaka manokana hampiakarana ny lentan’ny famoronana

– Ianareo mpilatro

– Ianareo rehetra mpiara-miasa ara-teknika tao anatin’ny haihaingo

– Ianareo rehetra mpiara-miasa ara-teknika

– Ny M-IZI COSMETICS nanao ny volo sy ny maquillagen’ireo mpilatro nandritra ny telo andro M-izi

Sy ianareo rehetra tsy voatanisa nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka ny MMF 2022.

Manome fotoana anao sahady amin’ny Mihamy Mada Fashion 2023.

#MMF22

#MMF2022

#msk