TAGNAMARO MANOKANA : FIZARANA NY KOPIA NAHATERAHANA
Noho ny fangatahana izay nataon’ireo vahoaka marobe ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ampandriankilandy distrikan’i Antsohihy, fa indrindra ireo avy amin’ny fokontany izay tena lavitra, toy ny aty Amboroho, Ambodisatrana, Ambodimanga M-, Marosampanana, Matsaboribe dia tontosa androany Alarobia 15 Jona 2022 ny TAGNAMARO manokana dia ny FIZARANA KOPIA NAHATERAHANA.
Ireto vahoaka ireto izay tsy nahatratra ny andiany voalohany izay natao ny 2 Jona lasa teo, ka izao nidinana tany an-toerana izao. Nihoatra lavitra tamin’ny tarehimarika hita teo aloha ny ezaka vita androany, satria tafiakatra 963 ireto vita androany ireto (ankizy, tanora mpianatra sy olon-dehibe).
Isaorana manokana ny fiaraha-miasa matotra eto anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Sofia sy Fitsarana eto Antsohihy, amin’ny alalan’ny Filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany RAZAFINDRAKOTO Mamy Nirina izay manaiky hatrany amin’ny fidinana any ambanivohitra lavitra be, notronin’ny Procureur de la République Antsohihy, RAMORASATA Jessé.
Isaorana ihany koa ny ben’ny tanàna kaominina ambanivohitra Ampandriankilandy RAJAONARY Danny, izay mampiseho mandrakariva ny fiaraha-miasa.