AKON’NY TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY

 » Ny fikajiana ny tontolo iainana  » no lohahevitra nosafidiana nanatontosana ny hetsika  » Tagnamaro Andron’ny Olom-pirenena – Volana Jona 2022  » ka ny fanadiovana ny tontolo manodidina ny toerana manan-tantara teny amin’ny Rova sy ny Biraom-panjakana manodidina azy (Lapan’ny Faritany Andohanatady Fianarantsoa teo aloha sy ny Biraon’ny Préfectora vaovao Fianarantsoa) no natao nandritra io hetsika ara-kolontsaina, izay fanao isam-bolana io.

Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony no nitarika ny hetsika Tagnamaro teto izay notronon’ireo solontenam-panjakàna sivily sy miaramila teo an-toerana, izay notarihan’Andriamatoa Préfet sy ireo Talemparitra ato Matsiatra Ambony.

Tonga maro ny olona nasaina indrindra ny vahoaka mponina ao amin’ny Fokontany manodidina (Andohanatady sy Rova) notronon’ireo Fikambanana Mpilatsaka an-tsitra-po teo an-toerana.