TAGNAMARO TAO BEALANANA

TAGNAMARO TAO BEALANANA

Niteraka fahasahiranana goavana tamin’ireo olona manan-draharaha hanatonana ny RNM-TVM ao Bealanana ny fahasimban’ny làlana miakatra eny amin’ny foiben’ny RNM-TVM, nandritry ny taona maro nifandimby.

Tapitra hatreo anefa izany: androany dia raikitra ny Tagnamaro izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Delegasiona ao Bealanana, ka niroso tamin’ny fanajariana ity làlana ity.

Navitrika tokoa ny olom-pirenena namita ny adidiny ny amin’ny soa iombonana ity.

Androany ihany dia efa nisitraka ny ezaka nateraka izao Tagnamaro izao ireo mpampiasa moto sy ireo mpampiasa fiara ao Bealanana.