๐™ผ๐™ธ๐šƒ๐™พ๐™ท๐šˆ ๐™ฝ๐šˆ ๐™ต๐™ธ๐™ต๐™ฐ๐™ฝ๐™พ๐™ผ๐™ด๐š‰๐™ฐ๐™ฝ-๐šƒ๐™ฐ๐™ฝ๐™ฐ๐™ฝ๐™ฐ ๐™ฐ๐šƒ๐™ฐ๐™พ๐™ฝ’๐™ฝ๐šˆ ๐™ผ๐š‚๐™บ ๐™ฐ๐™ผ๐™ธ๐™ฝ’๐™ธ๐š๐™ด๐™พ ๐™บ๐™ฐ๐™พ๐™ผ๐™ธ๐™ฝ๐™ธ๐™ฝ๐™ฐ ๐™ฐ๐™ฝ๐™ฐ๐šƒ๐šˆ ๐™ณ๐™ธ๐š‚๐šƒ๐š๐™ธ๐™บ๐™ฐ ๐™ผ๐™ฐ๐™ฝ๐™น๐™ฐ๐™บ๐™ฐ๐™ฝ๐™ณ๐š๐™ธ๐™ฐ๐™ฝ๐™ฐ

Araka ny fampanantenana nataon-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ๐•ƒ๐•’๐•๐•’๐•ฅ๐•š๐•’๐•Ÿ๐•’ โ„๐”ธ๐•‚๐•†๐•‹๐•†โ„•๐”ปโ„๐”ธโ„ค๐”ธ๐”ฝ๐• ๐”ธโ„•๐”ปโ„๐•€๐”ธ๐•‹๐•†โ„•๐”พ๐”ธโ„๐•€๐•๐•†, taorianโ€™ny fangatahanโ€™ireo benโ€™ny tanana avy aminโ€™ny Kaominina marobe ao anatinโ€™ny distrikanโ€™I Manjakandriana, dia mitohy ny fanohanana ireo kaominina aminโ€™ny alalanโ€™ny ๐•‹๐”ธ๐”พโ„•๐”ธ๐•„๐”ธโ„๐•†.

Anjaranโ€™ny ๐•‚๐•’๐• ๐•ž๐•š๐•Ÿ๐•š๐•Ÿ๐•’ ๐”ธ๐•Ÿ๐•ฅ๐•ค๐•’๐•™๐•’๐•๐•’๐•๐•š๐•Ÿ๐•’ no nisitraka ny asa fanavaozana ireo fotodrafitrasam-panjakana efa antitra ka mila fanatsarana. Ny tranobe tobim-pahasalamana โ„‚๐•Š๐”น๐Ÿš mifanolo-bodirindrina amin’ny Lapan’ny tanaฬ€na no navaozina taminโ€˜ny alalanโ€™ny ๐•‹๐”ธ๐”พโ„•๐”ธ๐•„๐”ธโ„๐•† ny zoma 17 Jona lasa teo.

Asa fandokoana ny ivelany rehetra sy ny anatin’ity ivotoeram-pahasalamana mandray olona an-jatony isan’andro no natao, miaraka amin’ny fanavaozana sy fandokoana ny fefy manodidina an’ity trano goavam-be.

Nasiam-panajariana ihany koa ireo trano sy efitra rehetra fanampiny toy ny lakozia iombonana sy trano fitobian’ny fianakavian’ny marary.

 

Nofefena tanteraka ny paompy eo aminโ€™ny CSB II.

Tsaihivina fa talohanโ€™izao tany ๐”ธโ„•๐•‹๐•Š๐”ธโ„๐”ธ๐•ƒ๐”ธ๐•ƒ๐•€โ„•๐”ธ izao dia efa maromaro ireo Kaominina no nisitraka izany (Ampaneva, Anjoma Betoho, Ambatomena, Mantasoa, Ambanitsena).

Maro ny fangatahana voaray avy amin’ireo benโ€™ny tanaฬ€na nangataka hisitraka fanatsaraฬ€na ireo fotodrafitrasam-panjakana any amin’ny kaominina iadidian’izy ireo, ka hotohizan’ny Minisitera hatrany izao hetsika fiaraha-mientan’ny olom-pirenena aty amin’ny distrikan’i Manjakandriana izao.

Tobim-pahasalamana niorina tamin’ny taona ๐Ÿ™๐Ÿก๐Ÿก๐Ÿ˜ ny eto Antsahalalina ka efa nila fanavaozana.

Nandray anjara mavitrika ny vahoakan’ity Kaominina notarihin’ny Ben’ny tanaฬ€na ๐”ธ๐•Ÿ๐••๐•ฃ๐•š๐•’๐•ž๐•’๐•ฅ๐• ๐•’ ๐”ธโ„•๐”ปโ„๐•€๐”ธ๐•„๐”ธโ„•๐”ธ๐•„โ„™๐•€๐•Š๐•†๐”ธ ๐•„๐•’๐•ž๐•š๐•Ÿ๐•š๐•ฃ๐•š๐•Ÿ๐•’.

Nanampy koa ireo solotenam-panjakana sivily sy miaramila any an-toerana.

Nararaotin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ny fotoana nitondrana fanazavana tamin’ny vahoakan’Antsahalalina ny fanentanana mba handray ity laฬ€lan-tsaina ity ny vahoaka ka hotohizana amina fotodrafitrasa na fananana iombonana hafa izany isaky ny sabotsy fahatelo ao anatinโ€™ny volana.