TAGNAMARO BEFANDRIANA AVARATRA SOFIA
Poa-droa ny Tagnamaro tao Befandriana-Avaratra ny andron’ny Asabotsy lasa teo.
Andaniny ny fanadiovana ny manodidina sy tao résidence distrika, izay toerana hanantanterahana ny lanonana fankalazana ny 26 Jona eto Befandriana-Avaratra, anisan’izany ny « Podium ».
Indray nifarimbona nanadio izany ny olom-pirenena tao an-toerana. Ankilany indray, nifamotoana teto amin’ny bazary vaovao na « Bazar manara-penitra » ny olona, ka raikitra indray ny fanadiovana ny tao anatiny sy tety ivelany.
Ambonin’izany, nahomby ny fanentanana izay natao, ka samy tazana nanadio ny manodidina azy ny olona isam-pokontany tao Befandriana-Avaratra ny andron’io Asabotsy io.
Nitarika ny fotoana rehetra teto ny lehiben’ny distrikan’i Befandriana-Avaratra sy delegean’ny Serasera sy Kolontsaina ao an-toerana, notronin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ary ny olom-pirenena tonga marobe.