TAGNAMARO VOLANA JONA TOAMASINA

Fandokoana ny fefin’ny biraon’ny TVM sy RNM Toamasina ao Salazamay sy fanatsarana ny zaridaina, no TAGNAMARO ANDRON’NY OLOM-PIRENENA notanterahina teto an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana ho an’ity volana Jona.

Toy ny efa mahazatra dia nifandrimbon’ireo fitaleavam-paritra, ny mpiasa avy ao amin’ny Faritra Atsinanana sy ny fileovana hafa ary ireo orin’asa tsy miankina, ny nanatanteraka izany asa #TAGNAMARO izany ny Asabotsy faha-18 Jona 2022 teo.

Isan’ny goavana indrindra natao teto Toamasina ity satria fefy mirefy 300 m2 eo no niarahana nandoko ary ny enti-manana sy ny akora rehetra dia fanampiana azo avy amin’ireo malala-tànana avokoa.

Anisan’ny nampiavaka an’ity TAGNAMARO iray ity ihany koa dia ny fandraisana anjaran’ireo tanora beazina ao amin’ny klioba #FANORO izay tonga mavitrika nanome tanana.

#MSK

#DRCC_Atsinanana

#TAGNAMARO