ANDRON’NY KANTO SY NY TALENTA
« Journée des arts et des talents »
Hetsika mikendry ny hampiroborobona ny talenta sy ny kanto eo anivon’ireo Tanora
Notontosaina ny zoma 17 jona tetsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy an’ity hetsika ity. Vinaina ny hampandraisana anjara mavitrika ny tanora amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Anisan’ireo hetsika eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolon-tsaina moa ny « journées des arts et des talents » ka Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany Andriamatoa isany Talen’ny Kabinetra sy ny Tale Jeneralin’ny Kolon-tsaina izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO.
Manamafy ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, ny fanohanany ny hetsika toy izao ary nanome toky ny fitohizan’izany tan-tsoroka izany satria mifanojo tanteraka amin’ny vinan’ny Minisitera amin’ny fampivoarana ny sehatry ny kanto sy ny famoronana ho lasa orinasa (industrie culturelle et créative) izany.
Marihina moa fa efa manana Ivontoeram-pikotrehana orinasan-tserasera na « Centres d’incubation pour l’entrepreneuriat culturel » vitsivitsy isika eto Madagasikara ary mitohy ny fametrahan’ny Minisitera an’izany ka fito (07) no vinaina hapetraka amin’ity andiany voalohany.
Tsy atao an-kilabao koa ny sehatry ny kanto rehetra tsy an-kanavaka: hira, dihy, théâtre, sinema, arts plastiques (sary, sary hosodoko, sokitra, sary pika…), haisoratra sns…
Nanao antso avo moa ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, mba hifanome tanana ny rehetra satria ny tao-trano tsy vitan’ny irery. Ilaina ny fiarahana amin’ny tsy miankina toy ny amin’ny alalan’ny 3P sy ny tohana avy amin’ny tsara sitra-po.